29/08/2026
AFO
Hialao ny doro tanety, ry namako,
Fa tsy Fotsiny akory na afo mandalo.
Misy aina miafina ao ambanin’ny ravina,
Misy hoavy matory ao anaty voa.
Taona maro no nandrafitra (hazo iray),
Niaritra hain-tany, orana sy rivotra;
Nitsiry moramora, nanandratra rantsana,
Dia indray mipi-maso—lavenona sisa.
Ny ahi-maitso izay nandrakotra ny tany,
No lasa mainty, mangina, mangidy;
Ny vorona nandao ny akany sy ny ala,
Fa ny setroka sisa no miakatra eny an-danitra.
Ry taniko, aza avela ho may ny fonao,
Aza avela ho lavenona ny harenao;
Fa izay dorantsika anio tsy am-piheverana,
Dia mety ho zavatra tsy ho hitan’ny taranaka (intsony.)
Koa raha mahita afo eny an-tanety ianao,
Aza mandalo fotsiny, aza mangina;
Vonoy ny afo, arovy ny aina,
"Fa ny tany tsy lova azontsika dorana—
Fa lova tokony hotehirizintsika ho an’izay mbola ho avy."
Tiafaneva.