13/11/2025
FOMBA FAMBOLENA KATSAKA
KARAZANA MASOMBOLY :
Misy karazany maro azo isafidianana arakaraka ny toetran’ny tany sy ny tanjona amin’ny fambolena n'y masomboly katsaka, toy ny IRAT 200, MEVA, PANAR, sns. Ireo karazany ireo dia samy manana tombony manokana amin’ny lafiny vokatra sy ny fahazakana aretina sy ny toe-tany
TOETRA'NY TANY SY NY TOETR'ANDRO :
• Amin'ny ankapobeny ny katsaka dia tsy tia tany mitazon-drano, fa tany lonaka no mety aminy .
• Tsy mahazaka haintany ela izy, fa mila rano na orana mandritra ny fotoam-pitomboany. Noho izany tsara raha amin'izao vanim-potoana misy orana izao no hambolena azy
FANOMANANA NY TANY SY NY FAMPIASANA ZEZIKA
• Raha zezi-pahitra no ampiasanay dia 10-15T / Ha no entinao fa miova Arakaraky ny toetran'ny tany hambolenao nefa io
• Raha zezika kankana dia hatramin'ny 400Kg/Ha raha tany tsy mbola masaka ka hampiasana zezika biolojika fa azo atao ihany koa ny mampiasa ny kaomposta izay efa nampianarina anareo ireny
FOMBA FAMBOLENA :
• Isan'ny voan'ny katsaka hambolena: Atao 2 - 3 isan-davaka fa raha tena azonao antoka tsara ny kalitaon'ny masombolinao dia afaka atao 1
• Masomboly ilaina : 25Kg / Ha
• Elanelany : 80 cm ny elanelan'ny ligne ary 50 cm ny elanelan'ny isam-pototra, izay no tsara indrindra
FIKARAKARANA NY FAMBOLENA :
• Fiavana : In-dray na in-droa no tokony hiava mba hanalana ireo ahi-dratsy
• Fanotofana ny fototra : 2 herinandro ao aorianan'ny fitselehana no anaovana azy
FOMBA FIHOTAZANA SY FITAHIRIZANA:
Miankina amin’ny tanjona ny fotoam-pihotazana, arakaraka raha katsaka lena na maina no tanjonao. Raha katsaka maina, dia tsara raha 13 % sisa ny hamandoana ao anaty voa vao hotazana. Matetika dia eo anelanelan’ny 3 volana sy tapany hatramin’ny 6 volana eo izany
Mandroso miaraka no tanjona 🤗