23/06/2026
💭 𝗥𝗘𝗛𝗘𝗙𝗔 𝗠𝗜𝗝𝗘𝗥𝗬 𝗜𝗥𝗘𝗧𝗢 𝗦𝗔𝗥𝗬 𝗜𝗥𝗘𝗧𝗢 𝗔𝗛𝗢...
Dia tsy olona mipetraka anaty salle no hitako.
Fa olona nanapa-kevitra ny tsy hiandry intsony.
━━━━━━━━━━━━━━
Eto Madagascar, maro ny olona manana nofinofy.
Maro ny manana projet.
Maro ny te hanova ny fiainany.
Fa vitsy no tena mandray dingana voalohany.
━━━━━━━━━━━━━━
Satria mora ny miteny hoe :
> "Hanomboka aho rahampitso."
> "Rehefa manana vola aho."
> "Rehefa vonona aho."
Kanefa ny marina dia...
Tsy misy fotoana tonga lafatra mihitsy.
━━━━━━━━━━━━━━
Ny ankamaroan'ny olona mahomby dia tsy nanomboka satria vonona.
Fa lasa vonona satria nanomboka.
━━━━━━━━━━━━━━
Izay no zavatra tiako indrindra amin'ireto olona ireto.
Tsy hoe tonga hianatra importation fotsiny izy ireo.
Fa tonga nampiseho tamin'ny tenany fa :
> "Vonona handroso aho."
> "Vonona hianatra aho."
> "Vonona hanandrana aho."
━━━━━━━━━━━━━━
Ary raha misy zavatra iray nianarako nandritra ny taona maro...
Dia izao :
💡 Ny fahalalana irery tsy manova fiainana.
Fa ny fahalalana ampiharina no manova fiainana.
━━━━━━━━━━━━━━
Mety tsy hitovy ny lalana halehan'izy ireo.
Mety tsy hitovy ny vokatra ho azony.
Fa misy zavatra iray azo antoka :
Tsy hitovy amin'ny omaly intsony izy ireo.
Satria nanapa-kevitra ny hianatra.
━━━━━━━━━━━━━━
❤️ Indraindray ny fiovana lehibe indrindra eo amin'ny fiainana dia manomboka amin'ny fanapahan-kevitra tsotra iray :
> "Andao hianatra sao tara."
━━━━━━━━━━━━━━
TADIDIO:
Rehefa afaka 5 taona...
Iza no hampalahelo anao kokoa ?
🔹 Amin''ny lesoka nataonao ?
sa
🔹 Ny zavatra fantatrao fa tokony ho nandramanao sy Mahasoa anao ... nefa tsy nataonao mihitsy ?
🫵 Mandehana diheny Mbola malaina ,
🫵 Eritrereto tsara.
Satria ny fotoana very tsy miverina intsony.
🫵Aza mangataka andro loatra.
Satria indray andro any ..
Ny "raha mba nanandrana aho" no mety Marary kokoa noho ny "tsy nahomby aho".
🔥 DEBA RAZAFINDRABE